Acts 8

1Nanaiky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka tamin’io andro io ny fanenjeana lehibe hanoherana ny fiangonana izay tao Jerosalema; ary ireo mpino rehetra dia niparitaka nanerana ireo faritry Jodia sy Samaria, ankoatra ireo apostoly. 2Ireo lehilahy matahotra anÁndriamanitra dia nandevina an’i Stefana ary nanao hira fisaonana azy. 3Fa Saoly dia nanimba tanteraka ny fiangonana; nitety trano izy ary naka ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary nandefa azy ireo tany an-trano maizina.

4Fa ireo mpino izay niparitaka dia nandeha nitory ny teny. 5Filipo dia nidina tany amin’ny tanàn-dehiben’ny Samaria ary nitory an’i Kristy tamin’izy ireo.

6Rehefa nandre sy nahita ireo famantarana izay nataon’i Filipo ny vahoaka maro, dia nifantoka tsara tamin’izay nolazainy izy ireo. 7Ireo fanahy maloto dia nivoaka tamin’ireo maro izay nidirany, nihiaka mafy, ary maro tamin’ireo malemy sy kilemaina no sitrana. 8Noho izany dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ilay tanàn-dehibe.

9Fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Simona tao amin’ny tanàn-dehibe, izay vao haingana no nilalao ody; matetika nampitolagaga ireo vahoakan’ny Samaria izy, rehefa manambara fa izy dia olona manan-danja. 10Ireo Samaritana rehetra, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia nihaino tsara azy; ary hoy izy ireo hoe: “Io lehilahy io dia ilay fahefan’ Andriamanitra izay antsoina hoe Lehibe.” 11Izy ireo dia nihaino azy, satria izy dia nampitolagaga azy ireo efa nandritry ny fotoana ela tamin’ireo odiny.

12Fa rehefa nino an’i Filipo izy ireo noho izy nitory ny filazantsara momba ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na ireo lehilahy na ireo vehivavy. 13Na i Simona aza dia nino, ary taorian’ny nanaovana batisa azy dia nijanona niaraka tamin’i Filipo foana izy. Rehefa nahita ireo famantarana sy asa lehibe izay niseho izy, dia gaga.

14Ary rehefa henon’ireo apostoly ao Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra Samaria, dia nalefan’izy ireo tany amin’izy ireo i Petera sy Jaona. 15Rehefa nidina izy ireo, dia nivavaka ho azy ireo izy ireo, mba mety handraisan’izy ireo ny Fanahy Masina. 16Fa nandrapahatongan’izany fotoana izany, dia mbola tsy nisy nilatsahan’ny Fanahy Masina mihitsy izy ireo; fa vita batisa tamin’ny anaran’i Tompo Jesosy fotsiny ihany. 17Avy eo i Petera sy Jaona dia nametraka ny tanany teo amin’izy ireo, ary dia nandray ny Fanahy Masina izy ireo.

18Ary rehefa hitan’i Simona fa ny Fanahy Masina dia natolotra teo an-tanan’ireo apostoly tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, dia nomeny vola izy ireo. 19Hoy izy hoe: “Omeo ahy ihany koa izany fahefana izany, ka izay rehetra ametrahako tanana dia mety handray ny Fanahy Masina.”

20Fa hoy i Petera taminy hoe: “Ho levona miaraka aminao anie ny volafotsinao, satria ianao nieritreritra ny hahazo ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vola. 21Ianao dia tsy manana anjara na ampahany amin’izany zavatra izany, satria ny fonao dia tsy marina amin’Andriamanitra. 22Noho izany mibebaha amin’ny faharatsianao, ary mivavaha amin’ny Tompo, sao mba mety hamela ny fanirian’ny fonao Izy. 23Fa izaho mahita fa ianao dia voapozin’ny lolom-po sy voafatotry ny fahotana ianao.”

24Simona namaly ary niteny hoe: “Mivavaha amin’ny Tompo ho ahy, mba tsy hisy hitranga amiko ireo izay nolazainao.”

25Rehefa nijoro vavolombelona sy nanambara ny tenin’ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin’ireo tanàna maro ao Samaritana.

26Ary nisy anjelin’ny Tompo niresaka tamin’i Filipo sady niteny hoe: “Mitsangàna ary mandehana mianatsimon’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza.” (Io lalana io dia any an’efitra.) 27Dia nitsangana izy ary nandeha. Indro, nisy lehilahy avy any Etiopia, tandapan’ny Kandasy, mpanjaka vavin’ireo Etiopiana. Izy no niandraikitra ny hareny rehetra. Tonga tany Jerosalema izy mba hidera. 28Ary nody izy ka nipetraka teo amin’ny kalesany, ary namaky ny tenin’i Isaia mpaminany.

29Ary ilay fanahy niteny tamin’i Filipo hoe: “Mandehana ary aza miala lavitra an’io kalesy io.” 30Ka dia nihazakazaka nanatona azy izy, ary nandre azy namaky ny teny tao amin’Isaia mpaminany, ary niteny hoe: “Azonao ve io vakianao io?” 31Niteny ilay Etiopiana nanao hoe: “Ahoana no hahafantarako, raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?” Niangavy an’i Filipo izy mba hanatona ny kalesa ary hipetraka hiaraka aminy.

32Ary ny andalan-tsoratra masina izay novakian’ilay Etiopiana dia nanao hoe: “Noentina ho vonoina tahaka ny ondry izy, ary tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy, noho izany dia tsy niloa-bava izy. 33Fa tamin’ny fanalam-baraka azy dia nesorina taminy ny rariny. Iza no afaka hamaritra tanteraka ireo taranany? Nohon’ny ainy nesorina teto an-tany.”

34Noho izany dia nanontany an’ilay tandapa i Filipo, nanao hoe: “Mitalaho aminao aho, iza no resahan’io mpaminany io, ny tenany ihany ve, sa olon-kafa?” 35Nanomboka niteny i Filipo, ary nanomboka tamin’izany soratra masina izany no nitoriany ny filazantsara momba an’i Jesosy taminy.

36Rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nanatona teny amin’izay nisy rano izy ireo ary hoy ilay tandapa hoe: “Indro, misy rano eto. Inona no mahasakana ahy tsy atao batisa?” 37(Fanamarihana: Hoy Filipo hoe: “Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia afaka atao batisa.” Ilay Etiopiana namaly hoe: “Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra.”) 38Ka nasain’ilay Etiopiana najanona ilay kalesa. Nidina nankeny amin’ny rano izy ireo, i Filipo sy ilay tandapa, ary nataon’i Filipo batisa izy.

39Rehefa nivoaka ny rano izy ireo, dia noentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitan’ilay tandapa intsony izy, fa nandeha tam-pifaliana teny amin’ny lalany. Fa i Filipo dia niseho tany Azota ary nitety io faritra io izy, nitory ny filazantsara eraky ny tanan-dehibe rehetra mandrapahatongany tany Kaisaria.

40

Copyright information for PltULB